|
| BISHOP ROGER AND ALICE JAOMALAZA IN NOSY BE ST JOSEPH CHURCH |
|
|
| Photo No. : P100609-1 |
|
|
|
|
| Photo No. : P100609-2 |
|
|
|
|
| Photo No. : P100609-3 |
|
|
|
|
| Photo No. : P100609-4 |
|
|
| A TIME OF SADNESS FOR BISHOP ROGER CHUNG JAOMALAZA UNDERGOING CVA REHABILITATION AS HE SENDS HIS FAREWELL MESSAGE TO THE DIOCESE OF ANTSIRANANA WHICH WAS READ BY THE VICAR GENERAL REV OCTAVE SOLA AT THE ST MATTHEW'S CATHEDRAL SERVICE IN THE PRESENCE OF HIS SPOUSE ALICE CHUNG JAOMALAZA ..MALAGASY TEXT. |
|
|
| |
ANTSIRANANA 100609-1
June 9, 2010
|
 |
[Diocese of Antsiranana - Indian Ocean] Taratasy avy amin’ny Mgr Roger Chung Jaomalaza, eveka fahatelon’ny diosesin’ Antsiranana .
Ry hava-malala ao amin’ny Kristy,
Amin’ny alahelo lehibe no hilazako aminareo fa voatery tsy maintsy ametraka fialana amin’ny maha eveka fahatelo amin’ny diosesin’Antsiranana ahy aho noho ny aretina tampoka nanjo ahy. Mafy amiko ny tsy afahako miverina any Madagasikara ka miara-mifanao veloma farany aminareo noho ny toe-batako mbola marofy vokatrin’ny aretina nanjo ahy. Ny vadiko Rtoa Alice Jaomalaza no miandraikitra ny fandefasana ny entanay mianakavy tavela any miaraka amin’ny Sekretera Provinsialy Rev Canon Samitiana izay nalefan’ny Arseveka Ian Ernest. Midika izany fa ny asako maha evekan’ny diosesin’Antsiranana ahy dia naharitra 7 (fito) taona, nanomboka tamin’ny 01 jona 2003 ka hatramin’ny 01 jona 2010.
Manatitra fisaoranana sy fankatelemana ireo rehetra izay nanampy sy nivavaka ho ahy aho ka nahatonga an’Andriamanitra noho ny fahasoavany nandrotsaka ny fitahiany tamin’ny asa nanirahany ahy tamin’ny diosesin’Antsiranana.
Raha handray ny asa maha evekan’ny diosesin’Antsiranana ahy aho ka nandao ny ministeran’ny fiangonana Sta Paoly sy maha Arsidiakona ahy tao amin’ny nosy Maurice dia nanatontosa ny asako tao Antsiranana aho tamin’ny alalan’ny ainga vao sy fanamby lehibe amin’ny asa fitoriana ny Filazantsara amin’ny fiangonana Eklesia Episkopaly Malagasy. Afaka nifampizara taminareo ny hery lehibe avy tamin’Andriamanitra sy ny fitiavana manao ny asany ny fotoana rehetra niarahako taminareo. Vokatr’izany dia nitombo ny isan’ny Presbytera izay efa mahatratra 42 izireo ankehitriny, ka anisan’izany ny vehivavy.
Anisany nampahery ahy ihany koa ny nahitako Presbytera izay mafana fo sy mikely aina amin’ny fitoriana ny Filazantsara, ohatra amin’izany ny Rev Jean Modeste any Andrafainkona sy Revde Vitasolo Roline any Matsabory Laidama , sy ireo sisa tsy voatanisa.
Niezaka nianatra ny teny malagasy tsikelikely aho ka izany no nafahako nanamasina ny kominiona masina tamin’ny teny Malagasy. Na dia midadasika tokoa aza ny diosesin’Antsiranana dia tapitra noteteziko nitsidihina avokoa ireo fiangonana maro ao anatiny. Ary mankasitraka ny fampiantranoana mahafinaritra sy fandraisana tsara sy feno fitiavana izay nasehonareo Presbytera, ianareo Renin-jaza sy fikambanan-dehilahy, ianareo tanora sy skoto ary ny kristiana rehetra tsy ankanavaka
Anisan’ny zava-dehibe tena nisongadina ary nanana ny lanjany tokoa nandritra ny fanatanterahako ny asa maha eveka ahy ny fitokanana ny katedraly vaovao Sta Matio niaraka tamin’ny Eveka G Cray avy any Kanterbury, ny fikambanana PIOSA ary ireo olona maro mihisa 2000 avy amin’ny diosesin’Antsiranana, avy any Nosy Be ka hatrany Antalaha. Omby telo no novonoina sy niarahana nihinana tamin’ny sakafom-piraisana nandritra ny fety ho mariky ny fifankatiavana.
Naneho hatrany ny fahatsarany sy ny fahamarinany tamintsika Andriamanitra, tamin’ny fitahiany antsika tamin’ny fanatanterahana ireo drafitr’asa maro tamin’ny diosesin’Antsiranana ireny na dia teo aza ireo olom-bitsy manana fikasana ratsy ka nitady mandrakariva hampisy olana sy fanakorontanana tao anatin’ny diosesy. Ireny “olona ratsy fanahy” AndriamanaitraTamin’izay dia ary nanampy atsika tamin’ny zavatra rehetra nataontsika na dia teo aza ireo olona izay nanakasakana. Ireny olona “ratsy fanahy“ ireny dia mampalahelo fa nampisy olana maro sy mafy eo anivon’ny diosesy. Kanefa na dia izany aza dia tsy mitsahatra ny mivavaka ho azy ireo isika mba hanovan’Andriamanitra ny fon’izireo ka ahaizan’izireo hibebaka mba handraisan’izireo ny famindram-po sy famelan-keloka avy amin’Andriamanitra.
Vahiny aho tamin’ny vao tonga teto Madagasikara. Fa ilay vahiny taloha iny dia nianatra tsikelikely ny teny sy ny fomba amam-panao Malagasy ka lasa tonga “Malagasy tao ampony” ankehitriny . Tsaroako ny voalaza ao amin’ny 2 Kor.6:16b manao hoe: “Honina eo aminy Aho ary andeha eo afovoany, dia ho Andriamaniny Aho, ary izy ireo ho vahoakako”. Nafahako niaina toe-javatra maro ary tena nanome fifaliam-po ho ahy ny fiaraha-miasa taminareo tamin’ny fanatanterahako ny asa nanirahan’Andriamanitra ahy teo anivon’ny diosesin’Antsiranana ary ny Rev. Ulrick Rinaldo Bory na “Ambiko” dia niara-dia tamiko mandrakariva tamin’ireo toerana rehetra novangiako tao anatin’ny diosesy. Manatitra fisaorana ho azy noho izany aho, ary misaotra ihany koa ireo rehetra nanampy sy nanohana ahy tamin’ny asan’Andriamanitra notanterahiko.
Arak’izany dia tonga izao ny fotoana tsy maintsy andaozako anareo. Ary maro dia maro ny olona tiako hanolorana fisaorana saingy tsy ary ho voatanisa ato avokoa, koa dia misaotra sy mankasitraka ary mankatelina anareo rehetra amin’ny anaran’ny Tompontsika aho. Ary tsarovy mandrakariva fa olombelona mety manadino fa Andriamanitra tsy mba manadino mandrakizay.
Ny fampivoarana “HAINGAKAINGANA” fa tsy “moramora” izay nantenaiko sy notanterahiko araka ny tarigetra napetrako dia tanteraka nohon’ny fitahian’Andriamanitra, ka izao nafahako taty afara izao indray, nanorina ny trano fihofanana Pastoraly sy Teolojika ho an’ny Klerje sy ny laika. Ary dia hapetrako ho an’ny eveka izay mandimby ahy, ny manohy izay efa natomboka mikasika io trano fihofanana io. Mivavaka aho, mba handraisanareo rehetra mandrakariva ny fitahiana vaovao avy amin’Andriamanitra.
Nandritra ny fito taona niasako amin’ny maha evekan’ny diosesin’Antsiranana ahy ary noho ny fitahian’Andriamanitra sy ny ezaka avy taminareo tsirairay avy, dia ireto avy ireo zava-bita :
1- Ny trano fitaizana Canterbury izay nitokanan’ny ambasadora britanikaSEM Donaldson, ary misy ny biraon’ny Renin-jaza, ny efitra famakiam-bokin’ny diosesy sy ny fivarotana baiboly ary ny efitrano malalaka Imanoela.
2- Fitokanana ny trano fiangonana vaovao Sta lioka ao Sambava.
3- Fanitarana ny fiangonana Sta Mikaely ao Ambilobe
4- Trano fiangonana vaovaon’ny Jerosalema ao Belambo-Lokoho, Andapa
5- Trano fiangonana vaovaon’ny Nazareta ao Fanambana Vohemar
6- Trano fiangonan’ny Betlehema ao Andrafainkona
7- Fitokanana ny fiangonana vaovao ao Bemaneviky
8- Fitokanana ny trano fitaizana Sta Augustine ao Sambava
9- Fametrahana ireo lamasina mpadisa vary ao : 1 - Daraina
2 – Laidama Matsabory
3 – Vohémar
4 – Anaborano Ifasy
5 - Ambanja
10- Trano Fiangonana vaovaon’ny Simona, Cyrene ao Ambondromifehy
11- Trano Fiangonana vaovao ao Anaborano Ifasy
12- Trano Fiangonana Vaovao ao Ambarakaraka
13- Trano Fiangonana vaovao Sta Jakoba ao Ankoby
14- Fikambanana Rota noforonin’i Rtoa Alice Jaomalaza izay mikendry ny fampivoarana ny fari - piainan’ny vehivavy manana talenta amin’ny asa Tanana zaitra sy peta – kofehy ao amin’ny fikambanan’ny Renin – jaza
15- Fampianarana manoratra sy mamaky teny maimaim – poana ho an’ny olon – dehibe tao Tanambao V – Antsiranana
16- Fitokanana ny Katedraly vaovao Sta Matio Antsiranana niaraka tamin’ny Evekan’ny Canterbury Mgr Gray ary tamin’izay koa no nanendrena voalohany ireo Klerje vehivavy
17- Fitokanana fiangonana vaovao Sta Davida ao Morafeno
18- Fitokanana Chapel fahatsiarovana Mgr Benzies ao Daraina
19- Fitokanana fiangonana vaovao Sta Alban ao Matsabory Laidama, Ambilobe
20- Ireo Sekoly vaovao Ampanefena, Antsaratsara, Antsirabe Nord, Ankotoba sy ny paroasy Daraina
21- Ny tranon’ny mpiandraikitra ao Antsirabe Nord
22- Fitokanana ny fiangonana Ambodiangezoka , Andapa-
23. Fanitarana ny fiangonana ao Vohemar
24. Fanatsarana efitrano roa fianarana simban’ny rivo-doza ao Antalaha.
25- Fitokanana trano fiangonana vaovao Sta Josefa ao Nosy Be
26- Trano “fihofanana teolojika sy pastoraly”ao Antsiranana.
Voalaza ao amin’ny soratra masina fa i Jakoba dia niasa 7 taona ho an’I Labana rafozan-dahiny vao nahazo nampakatra ny zanany vavy ho vady. Torak’izany koa ny tenako rehefa nahavita asa nandritra ny fito taona tao amin’ny diosesin’ny Antsiranana dia voatery handao anareo ary dia manantena ny firosoan’ny tsirairay amin’ny tsara tsara kokoa amin’ny ho avy.
Jesoa Kristy Tompontsika dia nitory ny vaovao mahafaly nandritra ny telo taona alohan’ny nandehanany niala teto amin’izao tontolo izao. Izaho koa dia hanohy hanompo an’Andriamanitra hatramin’ny farany. Amen.
Ny aretina mahazo ahy dia mila fotoana lavalava vao sitrana tanteraka. Koa mangataka anareo mba hivavaka ho ahy aho. Mananatena ny mbola hihaona aminareo aho indray andro any rehefa sitranin’Andriamanitra tanteraka.
Koa Andriamanitra anie handrotsaka ny fitahiany ho aminareo rehetra ary hanome anareo fitiavana, fiadanana sy fifaliana ao amin’ny diosesin’Antsiranana sy manerana an’i Madagasikara.
Raiso ny veloma feno fitiavana sy firalahiana atolotro ho anareo amin’ny anaran’I Jesoa Kristy Tompontsika.
Ny Eveka Mgr Roger Chung Jaomalaza
ANTSIRANANA
|